Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des cham­pions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry zalahy ny amboara sy ny vola 4 tapitrisa Ar. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 6, ry Daddy sy Mamy Ronaldinho ary i Lova, avy amin’ny SBA sy Pac.
Ho an’ny sokajy zandriny, izay lalao ho an’olon-droa, adin’ny samy ekipan’ny Pac Ampitatafika ny famaranana. Voalohany i Nathanael sy i Eliot.
Teo amin’ny “Vétérans”, mbola iray tarika ihany koa no nifanandrina dia ny avy amin’ ny CBAF ka nahazo ny amboara i Nanah sy i José. Faharoa, i Frah sy i Lam. Ankoatra izay, nisy koa ny fifaninanana “tirs de précision” ka nibata ny amboara ho an’ny lehilahy, i Hariliva (Ram’s), mpilalaon’ny CBAT. Nitana ny laharana faharoa i Balotti, avy amin’ny Pac. Ho an’ny sokajy vehivavy, nandrombaka ny fandresena i Marinah, avy amin’ny UBM ary nanaraka azy i Judicael, SBA.

Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olon-droa miaraka hatao eny Soamandrakizay, ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona ho avy izao.

F.R

Partager sur: