Nanararaotra ny tsy fahatomombanan’ny kamiao lehibe iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ny dahalo, teo amin’ny PK 268 + 50 m, tao Ambalamanakana, omaly maraina. Maty tampoka teny an-dalana ity fiarabe ity ka voatery nijanona nanala ny alina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tamin’ny 1 ora sy sasany maraina anefa, nanatonan’ny dahalo folo lahy ny fiara. Nokasain’izy ireo halaina ny vatoaratry ny fiara. Henon’ny mpamily sy ny mpanampy anefa izany ka niezaka namaly ireto farany. Nitondra antsy ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifampikasihan-tanana. Vokany, naratran’ny antsy ny tanan’ilay mpamily raha toa ka voarasa teo amin’ny tendany ilay mpanampy. Tsy nisy nahina ny ain’izy mirahalahy ireto ary efa manaraka fitsaboana. Nirifatra nitsoaka ireo dahalo ary tsy nahazo na inona na inona.
Manentana hatrany ny mpampiasa ny lalam-pirenena ho mailo hatrany kosa ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.