Ranobe : miray feo ny mponina

Any amin’ny 5 km avaratra atsinanan’i Ranobe, ary 8 km atsinanan’Ankilimalinike, samy distrika Toliara II no misy ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara. Efa hatramin’ny taona 2000 ny fanomanana ity tetikasa ity, ary maro ny asa sosialy efa nomena ny mponina. Nilaza Ra­manoel, fa mampalahelo ny nampihantonana ity orinasa ity. Nitondra fampandrosoana isam-pokontany ny fisiany. Aminy, tsy misy fampandrosoana amin’ny toerana iray, raha tsy misy ny orinasa miforona ao. “Manana tanora niofana tany Kenya izahay nefa tsy miasa ankehitriny, ka takinay ny hisokafan’ny Base”, hoy ihany izy.
Niray feo taminy i Eto­koane, sefo fokontany Rano­be. Toraka izany koa i David, sefo fokontany teo aloha.

Mihamafy ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana, mitaky ny hanokafana ny Base. Toa an’dRtoa Fa­meno Julienne, renim-pianakaviana : « Tsy manana asa ny lahy sy ny vavy aty aminay. Mila mandeha an-tongotra an-kilaometatra ma­ro izahay vao mahita rano sotroina sy hambolena. Tsy manan-kohanina izahay. Mai­ka ny hanokafana indray ny Base, hany vahaolana ».
Ho an-dRtoa Perline, filohan’ny fikambanam-behivavy : « Namokatra zana-kazo izahay tamin’ny fotoana niasan’ny Base. Na­hafahana namerina maitso ny ala ny zana-kazo, nahazoanay vola nivelomana ».
Maintimana Jean Clau­de, tanora any Ranobe : « Tsara kokoa ny fiainanay tamin’ny nisokatra ny Base. Mandray karama isan’andro izahay. Ankehitriny, lasa miakatra any Toliara daholo ny tanora mitady vola, mitarika posy bisikileta. Tsy very fanantenana anefa izahay, mino izahay fa hanokatra sekoly, hanome rano fisotro, fotodrafitrasa ara-panatanjantena ity orinasa ity rehefa hisokatra indray ».

Nanangona : Njaka A.

Partager sur: