Hafatry ny faha-45 taona FFKM: “Aoka isika hanome haranjono fa tsy hanolotra trondro”

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy teny amin’ny FJKM Andrainarivo, ny alahady teo, ny faha-45 taona nijoroan’ny FFKM. Nitarika izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nivoitra tamin’ny teny fampianarana nentin’ny mpitandrina, ny Dr Andriamaha­zo­soa Irako Ammi, fa tokony hifampihaino ny rehetra, tsy handrihandry manana aretina ary hifampihevitra eo anivon’ny fiarahamonina. Nanteriny ny tokony hifankatiavana ma­rina fa tsy ho ao anaty fihatsarambelatsihy anefa izany. “Fitiavana marina eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana ary ny firenena… Aoka isika hanao asa soa ahatsapan’ny mpiara-belona amintsika fa tsy asa vonjitavanandro anomezana trondro azy fa kosa hanolorana azy ny ha­ranjono, hiarenany eo amin’ny fiainana”, hoy ihany izy. No­tsindriny koa fa miaina anaty rivotra hafahafa ny tanora ka tsy te hahalala afa-tsy ny te­nany. Nohitsiny anefa fa tsy maintsy hihoarana izany ary tsy tokony hampihemotra. “Ma­nimba firenena sy ny fiarahamonina ireny ka manana andraikitra ny FFKM ny amin’ny fanentanana ny hifikirana amin’ny finoana”, hoy izy. No­tsiahivina tamin’izany fa nijoro ny FFKM ahafahana mampiombona ny fiangonana sy ho fijoroana vavolombelona mba ho fanasin’ny tany. Ni­tondra ny ranombavaka ny pa­sitora, ny Dr Rakotozafy Denis (FLM) raha nitarika ny fotoana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona ary namaky ny tenin’Andriamanitra kosa ny Mgr Raoelison Jean de Dieu.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ireo minisitra sasany eo anivon’ny governemanta sy ny avy amin’ny Ceni. Teo koa ireo depiote sy mpanao politika, avy amin’ny fanoherana…

Synèse R.

Partager sur: