FANTINA sy FINTINA

Hitondra filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena ny fanajana ny demokrasia, araka ny hafatra nampitain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. “Nilanjan’ny olona vatapaty sy « ressorts » ny tenako saingy tsy namaly izany satria izay ilay demokrasia”, hoy izy. Mety tsy matory sy tsy milamin-tsaina ireo nanao izany, araka ny nambarany.
Nampitaraina ireo ben’ny Tanàn’Atsimondrano ny momba ny fitantanana ny hetra. Hetahetan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalo­manana Richard, izany ny zoma teo, tetsy Anosikely, ho fanatsarana ny fitantanana ny kaominina. Nilaza ny hitondra izany amin’ny mpanatanteraka ny filohan’ity Andrim­panjakana ity.
Mahazo vahana ny lainga amin’ny tambajotran-tserasera, araka ny hafatry ny Eveka, nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fifandraisana. Tokony hi­tandro ny hasin’ny maha olona sy ny soa iombonana ny fampiasana ny fitaovan-tserasera. “Tokony ho fanabeazana ny fivelaran’ny maha olona”, hoy ny Eveka tetsy Antanimena, ny alahady teo.
Hanao hetsika didim-poitra faobe maimaimpoana ny 21 jona izao ny kaominina Ivato. Mikarakara izany ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa. Niantso ireo raiamandreny manana zanaka lahikely hatao hasoavana ny fiadidiana ny Tanàna mba ho tonga hisoratra anarana mialoha ao amin’ny sekreteran’ny ben’ny Tanàna.

Partager sur: