“SIAE andiany faha-4”: Hampifandray ireo mpandraharaha maneran-tany

Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha, Malagasy sy vahiny, ny ranty iraisam-pirenena momba ny mpisehatra ara-toekarena «Salon internationnal des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 7 jona izao. Kendrena manokana ny hampifandray ireo firenena avy any ivelany sy ny Nosy malagasy hijerena ireo soa fanararaotra hiatrehana ireo fa­namby ara-toekarena ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy sy mamiratra. «Hason­gadina manokana ny fampihaonana ny samy mpandraharaha ho an’ny fiaraha-miasa stratejika sy maharitra, indrindra ho an’ireo orinasa vao niforona», hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny SIAE, Rafatroholijaona Baho­lisoa, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny Andraharo. Tanjona, hoy izy, ny hampiroborobo ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, ny fampahafantarana ny vokatra malagasy ary ny hisarihana ireo mpamatsy vola vahiny ho tonga eto Mada­gasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fitondrana fanavaozana amin’ny alalan’ny fifaninana tetikasa «Tropic’Awards» andiany fahatelo sy ny hananan’ny tanora toe-tsaina tia mandraharaha ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana.

Tolotra
Manohana ny hetsika fampandrosoana ny toekarena toy izao ny Yas Madagascar. Hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andron’ny hetsika ity tambajotram-pifandraisana ity.
Ankoatra izay, hizara traikefa ho an’ny daholobe ireo tanora nahomby teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy ny tranoheva natokana handraisana mpiasa sy ha­naovana varotra fampirantiana ary fifanakalozan-kevitra arahina lohahevitra manokana.

Henintsoa

Partager sur: