Toy ny fanao nanomboka ny taona 2022, nankalazaina ny 23 mey teo, teny amin’ny masoivoho tiorka Ivandry, ny Andron’ny sakafo tiorka. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity taona ity noho izy nifantoka tamin’ireo sakafo fahita andavanandro sy eny rehetra eny na « plats classiques ». « Sakafo ara-pahasalamana sy feno otrika hery isan-karazany ary fahita eny amin’ireo toerana mahazatra ny mponina izany », hoy ny masoivoho tiorka, Ishak Ebrar Çubukçu. Fifandraisana kolontsaina samihafa ny nahazoana ity karazana sakafo ity noho izy mampifandray an’i Tiorka amin’ireo firenena eoropeanina hatrany Moyen-orient ara-tantara. Mifototra amin’ireo vokatra azo tehirizina sy mahasalama nefa mora ny sakafo natolotra nandritra ny hetsika. « Misy itoviany amin’ny sakafo malagasy ny sakafo tiorka ary hita eto Madagasikara avokoa ny ankamaroan’ireo akora ampiasaina », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankoatra izay, miavaka ny sakafo tiorka amin’ny fananany karazana fomba fahandro. Fomba fanao sy kolontsaina tiorka ihany koa ny mizara amin’ny hafa. Nohamafisin’ny masoivoho Ishak Ebrar Çubukçu fa« tsy fanao velively ny mihinan-drery ».
Henintsoa