Ho avy eto Madagasikara, anio, ny filohan’i Slovenie, Natasa Pirc Musar. Hanamafy ny fifanarahana ara-diplaomatika eo amin’i Madagasikara, izay tarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy i Slovenie, no tanjona amin’ity fitsidihana ity. Nilaza ny heviny mahakasika izany ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na ny maire Tôta. “Manana filoha mijery ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy i Madagasikara”, hoy ity ben’ny Tanàna ity.
Nomarihiny hatrany fa matoky ny Filoham-pirenena ny tenany, amin’ny hisian’ny fiaraha-miasa tsara eo amin’ny firenena roa tonta ary ny tanjona dia ny hampandroso an’i Madagasikara.
Ankoatra izay, manana vina maro amin’ny fampandrosoana ny eny Andoharanofotsy, ny Maire Tôta. Anisan’ ireo hataony laharam-pamehana amin’izany ny fananganana ny tsenan’Andoharanofotsy. Nomarihiny fa tsy manana izany ity tanàna ity ka hiezaka izy ireo ny hanatontosa io fananganana fotodrafitrasa io. Hiezaka ihany koa izy sy ny ekipany hamita ny tetikasa lalankely.
F.R