Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Slovénie, Sem Natasa Pirc Musar ny filoha Rajoelina Andry.
Fitsinjovana ny ho avy! Nanamafy ny fiara-miasa amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara sy ny firenena Slovène. Lafin-javatra telo no noresahin’ny filoha roa tonta, Rajoelina Andry Nirina, filoham-pirenena malagasy sy Sem Natasa Pirc Musar, filohan’ny Repoblika slovène. Hatao laharam-pahamehana amin’izany ny resaka angovo sy ny fampianarana ary ny fampivoarana ny maha olona.
“Maro ny lafin-javatra azo atao amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo manampahaizana manokana avy any Slovénie. Eo amin’ny sehatra fiarovana ny natiora, ny angovo azo havaozina ary ny fitantanan-drano maharitra”, hoy ny filoha Slovenina, Sem Natasa Pirc Musar, raha niresaka mahakasika ny angovo sy ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara izy. Nomarihin’ity vahiny tonga mitsidika eto Madagasikara ity fa hojerena manokana ny fampianarana. Hitokana sekoly izay tohanan’i Slovénie, etsy amin’ny Akamasoa, anio, moa ny filoha roa tonta.
Fifanakalozana traikefa
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, notsidriny mafy ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra. Anisan’izany ny fifanakalozana traikefa, indrindra amin’ny sehatry ny angovo sy ny fampivoarana ny tontolo maitso. Malaza amin’izany resaka izany i Slovénie, araka ny nambarany. Ankoatra izay, hodinihina manokana ihany koa ny fizakan-tenan’ny vehivavy, ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny fahasalamana sy ny fampianarana.
Tsiahivina fa ity no filoha Slovenina voalohany nanao fitsidihana ara-panjakana taty Madagasikara. Feno 20 taona, amin’ny taona 2026, moa ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
F.R