Nahitsy ny depiote Rajerison Antoine manolona izao fahatapahan-jiro izao. Nambarany fa efa tena famonoana ny toekarena anatiny mihitsy izao zava-misy izao. Tsy mahavaha olana intsony ny mpanatanteraka. Toa tsy misy mijery, tsy misy miresaka, akory. “Mametraha fialana rehefa tsy vita intsony fa aza atao an’izao ny vahoaka”, hoy izy.
Nisolo tena ny MMM tamin’ny atrikasa roa niarahana amin’ny Eisa, Ratiankavana Benjamin sy i Lizy Israeline Lanto. Nifantoka tamin’ny fanomezan-danja bebe kokoa ny tanora sy ny vehivavy ao anatin’ny antoko politika izany ary mifandraika amin’ny vina sy ny foto-kevitry ny MMM, mikendry ny fanomanana taninketsa ho an’ny hoavy.
Nanokatra ny fanofanana ireo olom-boafidy eny Atsimondrano, teny Ampitatafika ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nivoitra tamin’ izany ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’izany ny olan’ny fananan-tany. Nampanantena ireo depiote Tim ny hitady vahaolana amin’ izany eo anivon’ny mpanatanteraka.
Mitsabaka tanteraka eto amintsika ny vahiny, araka ny nambaran’ny mpahay tantara, Denis Alexandre Lahiniriko. Nanteriny fa mihalalim-paka ny
fitsabahan’izy ireo amin’ny fitantanana ny firenena. “Miankindoha amin’ny vahiny avokoa ny fanapahan-kevitra ara-stratejika hitantanana ny firenena. Fositra ny trosa lava ataon’ny mpitondra”, hoy izy.




