Jly Ravalomanana Richard: “Aoka hotandrovina hatrany ny fihavanana”

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy any amin’ny distrikan’i Brickaville ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, omaly.

Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fihavanana sy handala ny firaisankina. Efa vita ny fifidianana ka tokony himasoan’ny rehetra ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’izany koa ny fitondran’ ireto olom-boafidy ireto ny fitarainana sy hetaheta ho fana­tsarana ny fitantanana ny kaominina tantanin’izy ireo avy. Teo koa ny fifanankalozan-kevitra ho fampandrosoana ifotony any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona.
Ankoatra izay, nangatahin’ireto ben’ny Tanàna ireto ny Jly Ravalomanana Richard mba hiahy ny hetsika izay karakarain’izy ireo any Bricka­ville. Nanaiky tamim-pitiavana izany fangatahana izany ny tenany. Hisolo tena azy amin’izany ireo loholona avy any amin’ny faritra Atsi­nanana sady ho fanehoana fa miray hina ny eto amin’ny Anteni­mierandoholona, araka ny nambarany. Nampa­nan­tena koa ny filohan’ity Andrim­pan­jakana ity fa hampita ny hetaheta sy fitarainan’ireo ben’ny Tanàna amin’ny minisitera voakasika manoloana ireo fitarainana sy fangatahana. Ho avy rahateo ny fihaonan’ ireo loholona amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, hatao ny 16 jona ho avy izao.

Synèse R.

Partager sur: