Tetikasa Agropole : Velaran-tany 250 ha any Manjakandriana

Hatomboka any amin’ny kaominina Ambohibary Manja­kan­driana, ny tetikasam-pambolena sy fiompiana goavana “Agropole” ho an’ny faritra Analamanga. Mirefy 250 ha ny velaran-tany hatokana amin’izany. Nilaza ny ben’ny Tanàna (antoko Fivoi), ny Dr. Ratsimanetrimanana Fenosoa, nandritra ny fitsidihana tany an-toerana, ny 3 jona teo, fa “resy lahatra tanteraka amin’ny tetikasa Agropole. Maro ny fiofanana efa azo, fa tsy mbola nahatonga fiovana lehibe toa ity, hivelarana ara-toekarena ». Antenaina ho tafakatra 10t/ha ny voka-bary ho azo, raha 1,5 t/ha ny salanisa hatramin’izay. Nambaran-dRamananjanahary Harivony, sekretera jeneraly, nisolo tena ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo, fa fampitana teknolojia no iarahana amin’ny orinasa israelianina LR Group. Manatanteraka ny asa ny Malagasy. Tsy misy mihitsy ny fivarotana tany. Hatomboka amin’ny fambolem-bary, ary mitohy amin’ny fiompiana ombivavy be ronono sy akoho avy eo.

Njaka A.

Partager sur: