Tetikasa GEF6-AMP : Hatao Faritra arovana AMTP ny Nosy Boraha

Natao sonia, ny 2 jona teo, ny fifanarahana amin’ny ha­naovana ho Faritra arovana an-tanety sy an-dranomasina ny Nosy Sainte -Marie na Nosy Boraha, antsoina AMTP Sorkay. Mitotaly 265 000 ha ny velaran-tany sy ranomasina voafaritry ny AMTP Sorkay. Anisan’ny mampiavaka ny Nosy Boraha, ny toerana fi­tomboan’ny taranaka trozona misy trafony (Megaptera no­vaeangliae) any amin’ny fari-dranomasina. Mahasarika mpizahatany maro mampandroso ny fizahantany izany. Mitentina 1,2 miliara Ar ny famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (Fém), ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMP. Manatanteraka ny fametrahana ny AMTP Sorkay any Sainte-Marie ny ONG Gret. Maro ny dingana efa natao, toy ny fakana ny hevitry ny vahoaka, ny fanadihadiana isan-karazany hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny haha faritra aro­vana azy, sns. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana ma­maritra azy ho Faritra arovana vonjimaika. Nanao sonia ny fifanarahana ny fikambanana FAPBM (misolo tena ny GEF), ny tetikasa GEF6-AMP ary ny Gret. Nilaza ny solombavambahoakan’i Sainte Marie, Imbiki Herilaza, anisan’ny nanohana ity tetikasa ity, fa vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny didim-panjakana ma­maritra azy. Ho maro ny tombontsoa sosialy sy toekarena ary tontolo iainana haterany. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI) ao anatin’ny fokontany 17 any amin’ny Nosy Boraha.

Njaka A.

Partager sur: