Nahemotra ny 10 jona, ny fara-fandraisana ireo video ho an’izay handray anjara amin’ny fifaninanana “Tafan-gilita”. Natao ho an’ireo mpitendry gitara tsy mbola malaza, kanefa mahafehy izany izy ity. Aorian’io daty io, hiroso amin’ny dingana voalohany ireo mpitsara, hamoaka ny anaran’ireo 50 hiatrika ny dingana manaraka. Ambara amin’izay ihany koa ny tohin’ny fifaninananana, mandra-pahatongan’ny famaranana amin’ny volana septambra.
Hisehatra mandritra ny Indian Ocean Music Market na IOMMa atsy La Réunion, i Mashmanjaka. Anio alina ny anjarany, miaraka amin’ireo mpanakanto avy ao Maurice sy La Réunion, nosafidian’ny komity manokana. Sehatra ho an’ireo mitondra mozika vaovao avy aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina, heverina fa afaka miditra amin’ny tsenan’ny mozika any Eoropa sy manerana izao tontolo izao izy ity.
“Ndao hitendritendry”. Hetsika iray hanentanana ireo manan-talenta, hanamarihana ny “Fetin’ny mozika”, ny 21 jona io. Hasiana sehatra malalaka eo amin’ny Carrefour Ankorondrano, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hasaina amin’izany izay te hitendritendry sy hihira, mba hifandimby handray anjara eo. Efa fanao any ivelany rehefa “Fetin’ny mozika” ny sehatra malalaka toy izao.
Nifamory indray ry zareo “Pazzapa 3”. Miketrika ny fiarahana manaraka izy ireo, izay fantatra fa ny
6 jona izao, etsy amin’ny Pho Resto Ivato. Efa 20 taona sahady izay no tafaraka tanatin’ity lalao ity ry Stan, Nanah, Haja, Nampoina, Stéphane, Dinah, sns. Fanombohana ihany io, fa homarihin-dry zareo amina hetsika maromaro izay faha-20 taonan’ny “Pazzapa 3” izay.