Nanamafy ny fahavononany hampiroborobo ny fampiasana angovo madio sy azo havaozina eto Madagasikara, tanjona iray apetraky ny fanjakana ho an’ny taona 2030, ny Madagascar Renewable Energy Association (Marea). Nivoitra izany nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ny mpikambana ny 28 mey teo. Fotoana nampahafantarana ny rehetra ny filoha vaovao, Rémy Huber, hitantanana ny fikambanana mandritra ny roa taona.
Mpiara-miombon’antoka stratejika amin’ny fampiasana ny angovo madio sy fampisitrahana herinaratra ho an’ny Malagasy ny Marea, amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa napetrany. Maherin’ny 200MW ny angovo azo sy efa am-
perinasa. Manodidina ny 380GWh isan-taona na koa 20% ny famokarana eto an-toerana no efa misy taorian’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa mpamokatra angovo azo havaozina (Hydroélectricité, Solaire photovoltaïque, Hybride, Off-grid). Ankehitriny, maherin’ny 1 tapitrisa ny olona efa misitraka herinaratra.
Vina
Tanjona apetraky ny Marea ny 2030 ny hahatrarana ny «Mix énérgétique national» sy hampitomboina avo 7 heny ny vinan’ny fitondram-panjakana. Ilaina, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, indrindra ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiasam-bola. Ka ny 10% dia avy amin’ny famatsiam-bolan’ny fanjakana. Avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola ny 30% raha avy amin’ny sehatra tsy miankina kosa ny 60%. «Goavana ny fanamby apetraka saingy azo tanterahina izany rehefa mipetraka ny vina sy ny fiaraha-miasan’ny rehetra», hoy ireo mpikambana. Heverina, araka izany, ny hampiroboroboana ny famokarana herinaratra ara-kalitao izay takina fiaraha-miasa akaiky amin’ny fanjakana, ny orinasa Jirama, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny sehatra tsy miankina. «Voninahitra ho ahy sady andraikitra goavana ny mitarika ny fikambanana ivondronan’ireo sehatra manan-danja eo amin’ny toekarena. Matoky aho fa vonona hanatratra ny tanjona ho an’ny taona 2030 ireo mpikambana mba hisitrahan’ny ankamaroan’ny Malagasy herinaratra. Azo tsapain-tanana ny vina apetraka rehefa miaraka isika», hoy ny filohan’ny Marea, Rémy Huber.
Henintsoa