TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja omaly ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany, ny 2 jona lasa teo. Rehefa avy niakatra fitsarana omaly ihany. Nifamaly izy roa ny harivan’ny 1 jona 2025 tamin’ny 05 ora sy sasany hariva teo. Nokasihiny tanana ilay vehivavy ary maty. Nitolo-batana teny anivon’ny zandarimaria Moramanga ny nahavanon-doza ka izao nampidirina am-ponja izao.
Mitaky onitra 25 tapitrisa Ariary ireo ray aman-dreny nanana zanaka maty nandritra ny dia fibeazana natao tany Mahajanga, ny volana avrily lasa teo. No­raiketina an-tsoratra izany omaly ary andrasana aorian’ny fahavitana ny fanadinan-panjakana io vola io. Miantefa amin’ny liseam-panjakana Manjakandriana ny fangatahana onitra.
Zaza vao teraka narian-dreniny tao anaty lavapiringa, omaly maraina, tany amin’ny tanàna iray any amin’ny faritr’i Bekily Ambinany. Olona nivoaka tao amin’ilay toeram-pivoahana no nahatsikaritra zazakely tao anaty lavaka. Nosokirina ary efa hita fa maty ilay zaza. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha.
Nivarina an-kady tany amin’ny kaominina Vohibato Andrefana, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany, ny fiara taksiborosy iray. Mampitohy an’Alakamisy Itenina sy Fianarantsoa ity fiara tra-doza ity. Naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha tao anatiny. Nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa ny telo izay tena naratra mafy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza.

Partager sur: