Nampahafantatra ny anjara asan’Ambatovy eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy nandritra ny varavarana misokatra nataony teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny orinasa, ny 3 ka hatramin’ny anio 7 jona.
Nozaraina ireo fanamby atrehin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny toekarena. Mifarana androany eny amin’ny MBC, Ivato, ny varavarana misokatra ataon’ny orinasa Ambatovy. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe : “Ambatovy, orinasa mpitrandraka tomponandraikitra”. Fantatra amin’ny tontolon’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ny orinasa. Toy ny fanao isan-taona, nanatantanteraka varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny orinasa ho fampahafantarana ny asa sahaniny sy ny vokatra ataony ary ny fanamby samihafa apetrany ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Misy ny fampirantiana, fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo ekipa ary famelabelarana momba ny hetsika ara-tsosialy sy tontolo iainana ataon’Ambatovy. Nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy, ny alatsinainy hariva teo, ny filohan’ny orinasa, Mark Zaborowski. «Maneho ny mangarahara, sy manazava ny fiantraikan’ny tetikasa ary ny fandraisana anjara amin’ny lafiny rehetra Ambatovy», raha ny nambarany. Notsindriny manokana fa maherin’ny 90% ny Malagasy miasa any Ambatovy, manomboka ao Moramanga ka hatrany Toamasina ary anisan’ny tetikasa indostrialy lehibe indrindra natao teto Madagasikara ity orinasa mpitarandraka ity, araka ny fanazavany.
Fampahafantarana
Notsiahivin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier Herindrainy, nandritra ny fitsidihany teny an-toeran, fa ny 30 %’ny vokatra aondran’i Madagasikara dia nikela sy kobalta avy ao Ambatovy avokoa. “Na eo aza ny fanamby, indrindra ny lafiny teknika, dia naneho fahavononana hatrany Ambatovy”, hoy izy. Nomarihina fa natao hampiantranoana karazana hetsika toy izao ny MBC. Fotodrafitrasa sahanin’ny minisitera tantaniny. Manohana hatrany ny orinasa sy mampirisika ny hitohizan’ny hetsika tahaka izany ny fanjakana mba hahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa ny tontolon’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Marihina fa ankoatra ny fitrandrahana ataony, miantoka ny fampananasa sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena koa Ambatovy. Tsiahivina fa ny varavarana misokatra toy izao dia fotoana hanehoana fa tena ilaina ho an’i Madagasikara ny fitrandrahana arahina fandraisana andraikitra
Henintsoa