Hanomboka anio ny « Hadimiana Sandratra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, iarahana amin’i Rado Ramaherison, poeta mitady ny very.
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ilay boky « Lahabôlana Betsimisaraka », nosoratan’i Elisé Romuald. Hampahafantarana ny karazana literatiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka izy ity, toy ny rasavôlana, ôhabôlana, angano, korambe, ankanônôno, sns. Narahina seho nanehoana ny kolontsaina betsimisaraka ihany koa izany, tetsy amin’ny Tranombokimpirenena. Tafiditra hatrany anatin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » sy ny hetsika « Tsenan’ny boky » izay nifarana ny sabotsy teo izany.
Nampandalovina tao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina ao Mahajanga, ny nofo mangatsiakan’i Hery Signature, ny alahady teo. Ny alakamisy 5 jona no nodimandry ity mpanakanto, zanak’i Clo Mahajanga izay nandimby azy teo amin’ny mozika ity. Taorian’izay, nihazo an’Ambohimangakely Antananarivo, toerana nandevenana azy ny vatana mangatsiakan’i Hery Signature.




