Nirarakompana ny fitarainana sy fitakiana nataon’ireo depiote amin’ny fifanatrehana amin’ny mpikamban’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitaraina amin’ny halatra omby ny depioten’i Bekily. Miisa 3 000 ireo omby very noho ny tsy fandriampahalemana.
“Takinay ny hamongorana ny asan-dahalo”, hoy izy. Nahitsy koa ny depioten’Ambositra amin’ny haratsian’ny lalana ka miteraka tsy fandriampahalemana. Nitovian’ireo depiote ny hampidirana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram na koa ireo tokony hiasa amin’ireo foibe fanofanana arakasa. Ny olan’ny rano sy ny jiro amin’ny ankamaroan’ireo distrika. Nitaraina amin’ny vidim-panafody sy ny olan’ny politikan’ny fanabeazam-pirenena kosa ny depioten’Ambohimanarina. Ny olan’ny vatsim-pianarana sy ny fisamborana ny mpianatra. “Aoka hiala izay tsy mahavita azy”, hoy izy.
Notakin’ny depioten’Avaradrano kosa ny hamerenana ny fahefana feno ny ben’ny Tanàna amin’ny fitakiana ny hetran-trano sy tany mba ho loharanom-bolan’ny kaominina.
Nohitsin’ny depioten’Antsalova kosa ireo minisitra sasany manidy varavarana amin’ireo depiote na koa tsy mandray antso an-telefaonina.
Anisan’ny nitarainan’ny depioten’Antalaha ny hijerena ny vidin’ny lavanila.
Nivatravatra kosa ny depiote Gascar Fenosoa niangavy ny amin’ny hampitsaharan’ny filoham-pirenena ny fampanantenana. “Tanteraho aloha ny efa nambara… Ndao hifampitso-drano isika praiminisitra raha tsy vitanareo intsony… Vonona izahay hitarika ny vahoaka eny an-dalambe hanongana ny minisitra amin’
izao olan’ny jiro sy ny rano izao”, hoy izy. Notakiny koa ny hanovana ny lalàna ka hifidianana ny sefo fokontany. Ampahany amin’ireo nandray fitenenana ireo ary mbola hitohy, anio izany.
Synèse R.