“Tanjona lehibe ny hanatrarana ny fahataran’ny fandrosoana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiakarana ny harin-karena faobe, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famehezana ny fitombon’ny mponina, ary ny fanatsarana ny fitantanana mba hampihena tokoa ny fahantrana amin’ny fomba maharitra.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta teny Tsimbazaza, omaly, nanaovany tatitra ny fanatanterahana ny Politika ankaponben’ny fanjakana (PGE). Mitana anjara toerana lehibe amin’ny PGE ny ady amin’ny fahantrana. Momba ny sosialim-bahoaka: eo ny tetikasa Vatsin’ ankohonana, ny Asa avotra mirindra, ny Asa vonjy voina, ny asa fanorenana fotodrafitrasa maharitra mitondra ho amin’ny fahavitan-tena. Ankohonana marefo 1 170 000 no kendrena hisitraka ny tetikasa, 2024-marsa 2027.
Ankohanana marefo 193 000 àry no hampisitrahana ny tetikasa manomboka izao. Ho tafakatra 1 233 000 isan-taona no hisitraka ny tetikasa Haraton’aina hatramin’ny 2027. Ny tetikasa tsimbina nanomboka tamin’ny 9 aogositra 2024, ankohonana marefo 925 600 no misitraka azy. Tanjona ny hanalefahana ny fiantraikan’ny vidim-piainana eo amin’ny tokantrano marefo. Tokantrano 657 000 no efa nahazo tohana ara-bola 250 000 Ar atao indroa mandoa. Misy tokantrano fanampiny 258 600 no misitraka ny tolotra. Ny fandaharanasa Zara mira, mikendry ny fiahiana sosialy ara-drariny ary mitsinjo manokana ny vehivavy mitondra vohoka sy ny ankizy ary ny olona manana fahasembanana. Tanjona ny hampisitraka fiahiana sosialy ny 15% tsy mahazo Haraton’aina nefa manana ankizy madinika sy ireo manana fahasembanana hatramin’ny 2030.
R. Nd