“Natao hampitana ny hafatr’Andriamanitra ny polipitra izay an’ny fiangonana. Marobe ny vahoak’Andriamanitra, samy manana ny heviny, samy manana izay andrasany ao am-piangonana. Tsy lampihazo politika ny polipitra, tsy natao hanehoana ny hevitry ny tena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafidramanitra Nestor, momba ny toriteny, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe tamin’ny 15 janoary lasa teo, izay nahabe resaka sy adihevitra etsy sy eroa.
Natao hitoriana ny fahamarinana sy ny antson’ Andriamanitra ny polipitra. Manana hevitra ny tena dia atao izay fahaizana mamoaka an’izay. Mangataka ny Tompo ny amin’izany, fa tsy kabary politika no atao. Tsy fanehoan-kevitry ny tena manokana ny toriteny, fa famoaboasana ny Tenin’Andriamanitra. Marina fa misy asan’ny saina ao anatin’izany, fa mila manontany tena eo anatrehan’ny Tompo ny tena: izany hafatra izany ve tena asan’ny fanahy sa ny an’ny tena manokana?
Ny manahirana, ilay vavaka manao hoe: inona no nahatonga ny fitondrana eo? Ny Romana 13 milaza fa tsy misy fahefana afa-tsy avy amin’ Andriamanitra na iza na iza. Nahoana no mivavaka hoe ahoana no nahatonga ny fitondrana eo? “Nefa nisy fifidianana teto”, hoy izy. Mampandini-tena be izany. Na inona na inona firehan-kevitry ny tena, andraikitry ny fiangonana ny mivavaka ho an’ny mpitondra raha mbola mampiasa Baiboly. “Taom-pifidianana ity: andeha isika hivavaka ho an’ny Ceni, ho an’ny tomponandraikitra rehetra… Efa voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ve ianao?” hoy ihany izy.
R. Nd.