Zazalahy hita faty tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Imerintsiatosika, ny zoma 13 jona teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io zazalahy vao 4 taona monja io. Ny vatana mangatsiakany hany sisa hita.
Zava-mahadomelina 39 kg saron’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy nitatitra io rongony io saingy tafaporitsaka avokoa izy ireo.
Noravain’ny mpandroba ny fiangonana FJKM ao Fiadanana, ny alakamisy 12 jona teo. Lasan’ny olon-dratsy avokoa zava-tsarobidy tao amin’ilay toeram-pivavahana tamin’io fotoana io.