Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy azo ekena ny korontana lava eto amin’ny firenena”

Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny zoma alina teo. Nisy ny hafatrafatra nentiny tamin’izany, manoloana ny raharaham-pirenena.

“Anisan’ny olana goavana ny korontana, ary antony nahatonga izao fahantrana izao. Ahoana no ieritreretana hoe isaky ny enim-bolana na roa taona dia korontana lava eto anivon’ny firenena? Tsy azo ekena ny fambolena koron­tana. Tsy azon’ny governemanta ekena izany. Tsy azoko ekena izany.” Io ny nambaran’ ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian, tamin’ny famaranana ny fifanatrehan’ny Antenimie­ram­pirenena sy ny governemanta teny Tsimbazaza, afakomaly maraimbe. Malalaka ny fahazoana miteny sy maneho hevitra, fa tokony hapetraka ny fomba fiasa fa tsy mety ny fomba fanaovana politika tao anatin’ny taona maro. Mba hahitsy hitodika bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ny firenena izany.

“Izay ny anton’ny tsy isalasalako ilazana amintsika fa misokatra hatrany ny fifampiresahana amiko manokana. Fa tsy mendrika korontana lava intsony ny firenentsika”, hoy izy.
Fifampiresahan’ny depiote sy ny governemanta

Tsapa amin’izao fotoana izao fa mahita ny vahoaka malagasy, na inona resaka ataon’ny olom-boafidy sy olom-boatendry, hain’ny vahoaka malagasy hatrany ny fana­nana filoha mitarika any amin’ ny lalana mahomby. Tokony hamboarina isan’andro ny fifampiresahan’ny depiote sy ny mpanatanteraka. Tokony hisy izay fifampiresahana izay, ary samy mandray andraikitra ny rehetra, mba hialana amin’ izay mety ho lonilony sy zavatra mety manahirana, ka any amin’ny zavatra tsy izy no asiana fotony sy antony be dia be. Efa misy ny vahaolana momba ny famatsian-jiro. Misy ny olana, fa misy ihany koa ny vahaolana. Izay no ilazany amin’ny vahoaka hoe tsy va­haolana ny fanakorontanana, ary tsy mamaha ny olana ny fitondrana ny olona hidina an-dalambe. Tsy lalana hama­hana ny olana amin’ny fomba maha­ritra ny fambolena ko­rontana.

R. Nd.

Partager sur: