Fifanatrehana teny Tsimbazaza : Mbola te hitazona ny Praiminisitra ireo depiote

Samy namerimberina ny hitazonana amin’ny toerany ny praiminisitra Ntsay Christian ny maro anisa amin’ireo depiote. Nivoitra izany tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governe­manta, tao anatin’ny roa andro, teny Tsimbazaza.
Nivoy hatrany fa mendrika sy tokony hanohy ny asany amin’ny maha lehiben’ny go­vernemanta azy ny praiministra Ntsay Christian, ireo depiote. Tao ireo nanome naoty mihitsy, niainga amin’ny tatitry ny asa vitan’ny fitondram-panjakana, notanisain’ny lehiben’ny governemanta. Teo koa ireo nankasitraka ny fitarihany ny ekipany, indrindra ireo minisitra sasantsasany. Samy nankasitraka sy nandoka azy ireo depiote amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana, ny fampitaovana dabilio ireo sekoly… “Isaorana ny governemanta fa maro ny asa vita hatreto ka ilaina ny hanohizany izany”, hoy ny sasany.

Nasiaka fiteny sy tsy nitsitsy fitenenana
Nanitrikitrika ny tokony mbola hanohizany izany ny hafa amin’ireo depiote.
Etsy andaniny, maromaro koa ireo minisitra nahazo fankasitrahana sy noderaina ma­nokana tamin’izao fifanatrehana izao. Nanamafy izany ny filohan’ny Antenimiera, Tokely Justin. “Manome toky anao izahay fa ao an-damosin’ny governemanta ny rafitra mpanao lalàna amin’ireo ezaka fampandrosoana ny firenena. Tahaka izany koa ianareo minisitra. Tsy miala aminareo izahay”, hoy izy.

Nasiaka ary nitaky vahaolana maika momba ny delestazy avokoa ireo depiote. Niantso sy nitaky ny hijerena ny olan’ny herinaratra izy ireo. Nilaza ho diso fanantenana tamin’ny fihaonana kosa ny depiote mpanohitra. Nian­drandra vaha­olana manoloana ny olana mianjady amin’ny vahoaka izy ireo nefa fitaterana tetikasa tsy laharam-pahamehana sy andalam-panatanterahana no nambaran’ny praiminisitra.

Synèse R.

Partager sur: