Nahitsy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa tsy ilaina ny maneho hevitra an-dalambe manoloana ny teknolojia amin’izao fotoana izao. “Efa hery faharoa amin’ny fanehoan-kevitra ireny tambajotran-tserasera ireny. Fanakorontanana ara-politika io fitadiavana hidina an-dalambe io ka tsy maintsy mailo ny prefektiora”, hoy izy.
Nankasitraka ny filoha Rajoelina Andry ny depiote Rafidimanana Desiré tamin’ny fandraisam-pitenenany teny Tsimbazaza, ny zoma teo. Nambarany fa betsaka ny ezaka natao sy ny vita ary mbola manantena izany hatrany ny tenany. Na izany, nohitsiny fa tokony hazavaina amin’ny vahoaka ho fantany ity delestazy lavareny ity.
Nangataka famotsoran-keloka ho an-dRandriamihoatra Jean Luce ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, nandritra ny tafa nifanaovany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, ny zoma teo. Tsiahivina fa voasazy telo taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ity teknisianin’ny Tim ity ary voampanga ho niditra sy nanova ny voka-pifidianana tao amin’ny tranokalan’ny Ceni.
Naneho ny heviny ny antoko MMM manoloana ny raharaham-pirenena ka nilaza fa tokony hahatsapa tena hametra-pialana ny mpitondra. Nohitsin’ny filoha nasionalin’ny antoko, Andrianainarivelo Hajo, fa efa tena betsaka loatra sy lehibe ny olana goavana nefa tsy voavahan’ireo mpitondra.