TSELATRA

Lehilahy iray nosamborin’ny polisy avy ao amin’ ny CSP4 Isotry, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora sy sa­sany, teny La Réunion Kely. Tratra nanao herisetra ta­min’ny vadiny izay bevohoka izy. Nodaroany mafy ilay ve­hivavy ka naratra, ary tsy maintsy naiditra hopitaly. Tonga ara-potoana ny polisy ary nisambotra ilay nahavanon-doza. Manentana ny rehetra ny polisy mba hifanome tanana amin’ny ady amin’ny herisetra an-tokantrano.

Lehilahy iray 27 taona mpanao sinto-mahery tra-tehaky ny polisy miasa ao amin’ny Boriborintany faharoa, ny marainan’ny 14 jona lasa teo. Tratra teo am-pisintonana findain’olona teny Ambohipo izy io. Efa na­verina any amin’ny tompony ilay finday. Nentina nihazo ny kaomisaria kosa ilay olon-dratsy nanaovana fanadihadiana.

Partager sur: