Fisitrahana vaovao : Mitaky mangarahara amin’ny parlemanta ny OSC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fikambanamben’ ireo fiarahamonim-pirenena (OSC) miisa 19, omaly. Ni­voitra tamin’izany ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe, fepetra tsy azo ihodivirana amin’ny demokrasia. Notakin’ izy ireo ny amin’ny fandraisana maika ny lalàna momba ny fahazoana miditra amin’ny vaovao ho an’ny daholobe. Mifanaraka amin’ny fitsipika demokratika, indrindra ny fitsipika momba ny famoahana fara-tampony izany, ary ny fametrahana sehatra fifampidinihana mialoha ny handaniana ny lalàna rehetra momba ny fiainam-bahoaka. “Takinay koa ny hamoahana ireo antontan-taratasy rehetra avy amin’ny parlemanta, toy ny tolodalàna, tatitra, fehinkevitra, sy ny fandraisam-peo amin’ny adihevitra”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy afaka miroborobo ny de­mokrasia raha tsy afaka mivezivezy malalaka ny vaovao ilain’ny daholobe. Raha tsy afa-manara-maso ny asan’ny solontenany ny olom-pirenena, ary raha tsy mamoaka tsy tapaka ny fanapahan-keviny ny Andrimpanjakana. Manen­tana ny manampahefana ny OSC hanatanteraka ny an­draikiny, ka hanome lanja ny fahazoana miditra amin’ny vaovao ho zon’ny olom-pirenena rehetra, araka ny fanambarana. Notsiahivin’izy ireo ny fanamafisan’ny HCC ny fitsipika fototra, ny hamoahana ho azon’ny daholobe ny dosie misy tombontsoa iombonana, afa-tsy raha misy fepetra mivaingana voafaritra mazava ao amin’ny lalàna. Ny fanaovana ho fanta-bahoaka ny fivorian’ny parlemanta no fitsipika, ary tokony ho zava-misy tsy fahita firy sy araka ny antony mazava ihany no ahafahana manao fivoriana anaty efitra mihidy, tsy azo atrehina. “Mifanohitra amin’ny Lalàm­panorenana ny fanakanana ny fidiran’ny besinimaro amin’ireo antontan-taratasy avy amin’ny parlemanta, raha tsy misy fototra ara-dalàna sy antony manamarina izany”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: