FANTINA sy FINTINA

Nanazava momba ny fomba fiasa amin’ny fakana ny hetran-tany sy ny hetran-trano anivon’ny kaominina ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, tetsy Anosikely. Nambarany fa tsy lasan’ny fanjakana foibe ny vola amin’izany. “Tsy miova ny lalàna amin’izany. Hampiasa teknolojia ny fanjakana hanatsarana ny fampidiran-ketra”‘, hoy izy.

Tsy hanaiky ny fanaratsiana azy, tahaka ny natao teo aloha, ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery, araka ny nambarany tamin’ny famoriana ireo zanaka am-pielezana “Diaspora” tany Frantsa, ny herinandro teo. Niantso ireo milaravinahitra any an-toerana ny tenany hijoro sady hiteny manoloana ny fahorian’ny Malagasy.

Nanamafy ny fototry ny antoko TGV ny faritra rehetra. Natao tao Bekobay, distrikan’i Mahajanga II izany, ny herinandro teo. Nitarika izany ny minisitra mpiahy ny faritra, Moustapha Marson, sy ny depiote ary ben’ny Tanàna avy amin’ny antoko. Tanjona ny hanome aina vaovao ho an’ny mpiara-dia eny ifotony.

Partager sur: