Fitsarana momba ny kaonty: “Mba ho araka ny filana ny fandaniam-bola”

“Heverina fa anisan’ny fanamby ho an’ny firenena, raha mifototra amin’ny zavatra efa vitanay izahay. Eo amin’ny fametrahana ny hoe laharam-pahamehana amin’izay tena ilain’ny vahoaka izay. Izay no heveriko hoe mila jerena sy mila fanovana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny fitsarana momba ny kaonty, Rakoton­dramihamina Jean de Dieu, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny fanolorana ny Drafitra stratejika, 2025-2030, fitsarana momba ny kaonty. Tsy mitsikera fotsiny ry zareo fa manome vahaolana koa. Anjaran’ny fanjakana ny mijery ny fanatanterahana izany, miankina amin’ny zava-misy eo an-tanany.
Efa misy noraisin’ny fanjakana ny tolo-kevitra. Momba ny fangaraharana, ohatra, nekena ny fanaovan-dry zareo famelabelarana amin’ny tatitra ampahibemaso. Efa dingana tsara izay. Eo ny fanadihadiana momba ny Jirama. He­verina fa misy koa ny tolo-kevitra efa noraisin’ny fanjakana ho fanatsarana ny fitantanana ny Jirama. Hahazoana manome tolotra tsaratsara kokoa ho an’ny mpanjifa izany. Efa manomboka ny fanatanterahana an’izay amin’izao. Tsy vita indray andro izay fa mitaky fotoana.
Ny amin’ny Drafitra stratejika vaovao : fanatsarana ny lafiny fitantanana ao anatin’ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana ara-bola manerana ny Nosy. Faharoa, fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao fitsirihana kaonty ao anatin’ireo andrimpanjakana. Fahatelo, fanamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana momba ny kaonty hahazoany mitondra misimisy kokoa ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana eto Mada­gasikara. Fahaleovan-tena ara-drafitra sy fitantanana ary vola izany.

R. Nd.

Partager sur: