Hanendry filohan’ny delegasionina manokana (PDS) maromaro ny fanjakana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly, tetsy Anosikely. “Efa misy anarana maromaro eo anivon’ny minisitera fa miandry ny fanendrena”, hoy izy nanoloana ireo loholona.
Hisy hetsika sy seho maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Eo aloha ny etsy amin’ny Colesium Antsonjombe sy ny etsy amin’ny Gara Soarano amin’ny alalan’ny “Podium”, ny sabotsy izao. Hiaka-tsehatra eny Itaosy, Ivato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fenoarivo, Alasora koa ireo mpanakanto hafa.
Mitaky ny hamoahana ho fantatry ny rehetra ny vokatry ny fanadihadiana momba ilay raharaha fanapoizinana niseho ny faran’ny herinandro teo ny depiote Gascar Fenosoa. “Takina koa ny andraikitry ny fanjakana amin’ny fanampiana ny fianakavian’ireo niharam-boina, ny fiantohana ny fitsaboana ireo marary…”, hoy izy.
Tsy misy azo antenaina amin’ny mpitondra manoloana ny famahana ny olan’ny vahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote Rabenirina Jean Jacques. Nambarany fa poakaty ny fanazavan’ny fahefana mpanatanteraka teo anatrehan’ireo solombavambahoaka nandritra ny fifanatrehana teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo.