26 jona 1960 : Fifampiraharahana no namerenana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara

Herinandro sisa… 26 jona 1960- 26 jona 2025. 65 taona katroka ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy mora ary maro ny dingana nolalovana. Fifampiraharahana no namerenan’i Frantsa ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tantara..

Nambara teny Andohalo, tamin’ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Re­poblikan’i Madagasikara, na dia tsy mbola afaka aza tamin’ny fanjanahantany fran­tsay. Tsy mbola niverina ny Fahaleovantenam-pirenena. “Lalàna lasitra” no nitondrana ny tany sy ny fanjakana. Tamin’ny 23 jona 1956 no nolaniana teto Madagasikara izay “lalàna lasitra” izay. Ny minisitra misahana ny lafintany frantsay ivelan’ny ranomasina (TOM), i Deferre, no nampihatra azy, nanomboka ny marsa 1957. Tsy inona fa fanomanana ho amin’ny fizakana ny fahaleovantena ny governemanta najoro tao anatin’ny lalàna lasitra. Koa lasa filohan’ny Repoblika ny filoha lefitra tamin’izany, i Tsi­ranana Philibert, raha nisahana ny andraikitry ny filoha ny Kaomisera ambonin’ny Re­pob­lika teto Madagasikara, i André Soucadaux.

Nanaovana fitsapan-
kevi-bahoaka ny Fahaleovantena
tanteraka na tsia

Natsangan’ny filoha frantsay, ny jeneraly Charles de Gaulle, tany Frantsa, tamin’ny jona 1958, ny atao hoe Kaomity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana. Nofa­ritana tamin’izany ny amin’ ireo lafintany mpikamban’ny fiombonambe frantsay, na eo ambany fiahian’i Frantsa, izay manana ny fahafahany amin’ny governemanta eo amin’ny sehatra anatiny. Ireo lafintany frantsay ivelan’i Frantsa kosa, iaraha-manapaka amin’i Fran­tsa ny momba ny fiarovana, ny raharaham-bahiny, ny politika momba ny toekarena, ny lafiny vola, ny fitsarana… Ireo sehatra na minisitera ain-dehiben’ny firenena na miantoka ny fiandrianam-pirenena izany. Teto Madagasikara, na­naovana fitsapan-kevi-bahoaka ny amin’izay fizakan-tena tanteraka na tsia izay tamin’ny ny 28 septambra 1958. Tsy fiarahana intsony amin’ny Frantsa fa fizakan-tena feno sy tanteraka ny “Tsia”, ary ho eo ambany fiahian’i Frantsa ny “Eny” izay nahazo fandresena.

Najoro ny Repoblikan’i Madagasikara

Tamin’ny 14 oktobra 1958 àry dia niantso ny mpanolotsaim-paritany hanao ny kongresy, teny amin’ny trano filanonana Lycée Gallieni An­dohalo, ny filoha lefitry ny go­vernemanta, i Tsiranana Phi­libert. Nodinihina tamin’izany ny sata amin’izay ho fitondrana an’i Madagasikara. Lany tamin’ny vato 208, raha nanohitra ny 26, ny fananganana ny Repoblikan’i Madaga­si­kara. Nofidina tamin’izany koa ny Antenimieram-pirenena vo­alohan’ny Repoblika; ary nankatoavina ny hiram-pirenena “Ry Tanindrazana malala ô”, ny sainam-pirenena malagasy: fotsy mena maitso, ny teny filamatry ny Re­poblika: Fahafahana – Tanin­drazana -Fandrosoana. Ny ampitson’io, ny 15 oktobra 1958, nambaran’ny kaomisera ambony eo anivon’ny Repoblika frantsay ny maha eo anivon’ny fiombonambe frantsay an’i Madagasikara ny fijoroan’ny Repoblika malagasy. Teo koa ny nanafoanana ny lalàna tamin’ny 6 aogositra 1896, nahazanatany frantsay an’i Madagasikara.

Natsangana ny governemanta vonjimaika

Nandrafitra ny governemanta vonjimaika ny filoha Tsi­ranana Philibert, ary na­metraka ireo andrimpanjakan’ny Repoblika malagasy ny Antenimierampirenena. Vo­afidy ny mpikambana vonjimaika eo anivon’ny Anteni­mi­erandoholona. Novolavolain’ ny kaomity fakan-kevitra ny lalàmpanorenan’ny Re­pob­lika. Nandany ny lalàmpanorenana ny Antenimieram­pi­renena, tamin’ny 29 avrily 1959 . Nivory teny Tsim­ba­za­za ny kongresy, ny Antenimi­eram­pirena sy ny Antenimi­er­an­doholona, ny 1 mey 1959, izay nifidy ny filohan’ny Repoblika voalohany, i Tsi­ranana Philibert: lany tamin’ny vato 113 tamin’ny 114, vato maty iray.

Ny filoha Tsiranana no rain’ny Fahaleovantena

Nisy ny fivoriana fahenina nataon’ny Filankevitra mpanatanteraky ny lafintany mpikambana ao amin’ny fiombonambe frantsay, tany Saint-Louis, Sénegal, tamin’ny desambra 1959. Tamin’izany, naneho ny heviny ny amin’ny fahaleovantenan’ireo fanjakana mpikambana eo anivon’ny fiombonambe frantsay ny jeneraly Charles de Gaulle. Nohararaotin’ny filoha Tsira­nana noresahina tamin’izany izay hahazoana ny fahaleovantena feno sy tanteraka ho an’i Madagasikara. Nanga­tahiny ny mba hananan’ny parlemantera malagasy fahefana ilaina hanomanana izay fahaleovantena izay. Nitarika ny delegasiona malagasy tamin’ny famindram-pahefana sy ny fiaraha-miasa, Frantsay sy Malagasy, tany Paris, Frantsa, ny filoha Tsiranana, ny 10 febroary 1960. Vita rangopohy tany Paris izany, ny 2 avrily 1960.

Nambara ampahibemaso ny Fahaleovantenan’i Madagasikara

Natao sonia teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny 26 jona 1960, ny Fahaleo­van­tenan’i Madagasikara. Nanao sonia azy ny filoha Tsiranana sy ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandrasaina amin’ireo fanjakana mpikambana ao amin’ny fiombonambe amin’i Frantsa, i Jean Foyer. Taorian’izay, ny 26 jona 1960 ihany, nambaran’ny filoha Tsiranana, notronin’ny sekreteram-panjakana frantsay, i Jean Foyer, teo ambony vatomasina, Maha­masina, izany: “Ny Repoblika frantsay sy ny governemantan’ny Repoblika malagasy dia samy manamarika fa efa tanteraka ireo fomba tsy maintsy ilaina, araka ny lalàmpanorenana, mba hampiharina ireo fanekena nifanaovan’ny roa tonta sonia tamin’ny 2 avrily 1960. Noho izany, miantomboka amin’ny datin’ity fanambarana ity ny Repoblika ma­lagasy dia miakatra ho eo amin’ny Fa­haleovantena, ary mandray ny fahefana sy ny tombontsoa rehetra mirakitra ao amin’izany ary koa ny adidy avy amin’izany”.
Ny 29-31 jona vao nisy ny fankalazana tamin’ny fomba manetriketrika ny Fahale­ovan­tenam-pirenena: matso lehibe nataon’ny Foloa­lin­dahy, matso ho an’ny hery velona, fizarana fanampiana ho an’ny sahirana, lalao ho an’ny ankizy… Niditra ary noraisina ho mpikamban’ny Firenena mikambana (ONU) i Madagasikara ny 20 septambra 1960.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: