Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nahazo fiara miisa dimy avy amin’i Japon

Nanolotra fiara miisa dimy ho an’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny ny fitondram-panjakana japoney, amin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, i Abe Koji. No­raisin’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, tetsy Anosy, omaly, izany ary tafiditra amin’ny Tahiry “Fonds de contre-valeur japonais”. Hampiasaina amin’ny fihaonana an-tampon’ ny Sadc hatao eto Mada­gasikara, ny volana aogositra izao, ireto fiara ireto ary mitentina 2,3 miliara Ar. Nam­baran’ny minisitra fa maneho indray ny fifamatoran’ny firenena roa tonta sy ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’i Madagasikara sy Japon izao fanomezana izao. “Hampiasa izany araka ny tokony ho izy ireto fitaovana ireto ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy ny diplomasia iraisam-pirenena”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana, miaraka amin’ny kaomity iraisan’ny minisitera sy ny fiadidiana ny Repoblika.

Synèse R.

Partager sur: