Nomarihina ny 12 jona teo, tao Toamasina, ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany. Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rarivoarivony Hafa Fitiavana, fa tsy natao ho mpanatanteraka didy fotsiny izy ireo. “Mba mitsinjo ny maha olombelona koa izahay mialoha ny hanatanterahana didy”, hoy izy. Anisan’izany ny fiantsoana ny mpifanandrina sao mbola azo atao ny fifampiresahana. Eo koa ny fanomezana fotoana ny andaniny, resy eo amin’ny fitsarana, mba hiomana amin’ny fanatanterahana didy, araka ny nambarany. Matetika ny vadintany ilaina eo amin’ny fiatombohan’ny didy ary mitondra ny porofo eo anatrehan’ny fitsarana. “Ny vadintany no fiatombohan’ny ady sady mamarana ihany koa amin’ny alalan’ny fanatanterahana didim-pitsarana. Azo atao ho filankevitra ihany koa anefa izahay”, hoy ihany izy.
Lohahevitry ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany: “Ny vadintany miatrika ny fanatontoloana manoloana ny faharanitan-tsaina artifisialy”. Nampahafantarina ny rehetra koa ny asan’izy ireo.
Sajo sy Synèse R.




