Fifaninanana karakarain’ny MFFT : Hisitraka 1 miliara Ariary ny tanàna madio

Anisan’ny nisongadina tami­n’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny fampitana am-bava nataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny mandray anjara amin’ity fifaninanana tanàna madio sy maha te honina ity ireo kaominina isaky ny renivohitry ny faritra. “Tanjona ny hampandraisana anjara bebe kokoa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ho amin’ny fampandrosoana ifotony. Hametrahana tanàna madio sy maha te honina ary indrindra hitondrana fampiroboroboana ny lafiny toekarena sy sosialy ary ara-tontolo iainana mirindra”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Araka izany, hotoloran’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny MFFT, valisoa ireo kaominina mendrika indrindra amin’izany fifaninanana tanàna madio sy maha te honina izany ka hatolotra amin’ny fanamarihana ny 26 jona izao izany. Hahazo iray miliara Ariary sy fanamboaran-dalana ho tara, mirefy 3km ny kaominina laharana voalohany amin’izany. Hisitra­ka 500 tapitrisa Ar miaraka amin’ny fanamboarana lalana tara, mirefy 2 km kosa ny laharana faharoa ary 300 tapitrisa Ar sy fanamboaran-dalana 1 km ny kaominina laharana fahatelo.
Na izany aza, hisitraka fiara lehibe, “Camion benne” avokoa ireo kaominina 10 voalohany amin’izao fifaninanana tanàna madio sy maha te honina izao.
Tsiahivina fa samy efa nihetsiketsika avokoa ireo kaominina eny amin’ny renivohitry ny faritra, hatramin’ny nanombohan’io fifaninanana io. Miaraka mifarimbona mba hahatanteraka ny fifaninanana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Faritra, tarihin’ny governora sy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry. Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny eny anivon’ny sekoly na koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina…

Synèse R.

Partager sur: