FANTINA sy FINTINA

Nametra-panontaniana momba ny Jirama ny avy amin’ny HVM. Nambaran-dRakotovao Rivo fa navelan’ny mpitondra ho potika efa ho enin-taona ve io orinasa io vao nandray fanapahan-kevitra nanova ny sata mifehy ny Jirama izy ireo. “Efa nihena hatrany ny ampaham-bola nomena ny Jirama ary lasa nandany volam-bahoaka fotsiny avy eo”, hoy izy.
Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fandraisantsika ny fivorian’ny Sadc, ny volana aogositra izao, ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafara­vavitafika. “Hitantana izany ny filoha Rajoelina Andry ho an’ny taona 2025-2026. Feno 20 taona koa ny nidirantsika eo anivon’ny Sadc ary hampiroborobo ny toekarena izany”, hoy izy.
Vonona tanteraka hiady amin’ny kolikoly ny tonia mpampanoa vaovao ao Mampikony, Rabearivo Marie Claudia. Napetraka amin’izany andraikiny izany afakomaly tany amin’ny fitsarana any an-toerana ny tenany. Nambarany fa hanatanteraka ny politikan’ny fitsarana manakaiky vahoaka ny tenany.
Naneho fiaraha-miory amin’ny vahoakan’ny kaominina Ambohimanambola, ny depioten’Ava­radrano, Andriamosasoa Avotra. Tahaka izany koa ny fampiononana ny fianakaviany sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsiahivina fa nodimandry ny ben’ny Tanànan’io kaominina io rehefa notsaboina nandritra ny fotoana lavalava teny anivon’ny hopitaly.

Partager sur: