TSELATRA

Vehivavy iray 50 taona hita faty nanamorona ny reninaranon’Ikopa, nanoloana ny tobin-dasantsy, omaly. Olona tsara sitrapo no nampilaza ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra ny mombamomba azy io. Naka ny razana sy nitondra azy teny anivon’ny tranom-paty ny BMH. Tonga teny an-toerana ny borigady misahana ny heloka bevava.

Nalefa eny amin’ny fonjamben’i Tsiafahy, afakomaly, ilay raikely nanatsatoka hety ny tendan’ny zana-badiny sy nanary azy teny Ambohimalaza, ny zoma 13 jona lasa teo. Nalefa eny Antanimora kosa ilay ramatoa renin’ilay zaza. Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambo¬hi¬malaza ny sabotsy teo izy ireo.

Partager sur: