Rehefa antomotra ny fanakatonana ny biraon’ny USAID eto Madagasikara, naneho ny fahavononany hitantana mivantana ireo tetikasa sy fanomezana amerikanina mitohy ny masoivohon’i Etazonia. Izay no fantatra tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Sem Claire A. Pierangelo, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Amin’ny alalan’ny fametrahana tolotra manokana eo anivon’ny masoivoho izay fitantana mivantana ny tetikasa sy fanomezana izay. Io rafitra io no ho toerana hifandraisan’ny fitondrana malagasy amin’ny fanaraha-maso sy ny fanatanterahana ny fandaharanasa ho avy.
Ny amin’izay fanakatonana tanteraka ny biraon’ny USAID eto Madagasikara izay no fototry ny diniky ny roa tonta tamin’ny fihaonana. Nokasaina hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny fanakatonana tanteraka ny USAID. Voaresaka koa ny amin’ireo rafitra hapetraka mba hiantohana ny fitohizan’ny fitantanan-draharahan’ny fanomezana sy ny fandaharanasan’ny Amerikanina eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanampiana maha olona.
Noraisin’ny fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny tolo-kevitra. Koa eo am-piandrasana ny fanakatonana mahomby ny USAID sy ny fametrahana amin’ny fomba ara-dalàna ny dingana fametrahana ny tolotra sy ny tolo-kevitra momba ny fampandehanan-draharaha. Mbola hitohy araka ny efa nomanina ny fanomezana amin’ny fitaterana, araka ny fomba fiasa ankehitriny.
R. Nd.




