FANTINA sy FINTINA

Nolanian’ireo loholona tetsy Anosikely, afakomaly, mifidy ireo senatera ireo olom-boafidy am- perinasa. Izany hoe, ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna izany. Tsiahivina fa nanolotra izany tolo-dalàna momba ny fombafomba fifidianana ary ny fanendrena ireo loholona izany ny senatera Tsiebo Mahaleo.
Namaly bontana ny filoha Rajoelina Andry ny mpanohitra amin’ny alalan’ny depiote Randriana­soloniaiko Siteny. Nambarany fa tsy misy ny vokatry ny asa amin’ny filazana fa miasa mafy, miasa mangina, miasa ho an’ny vahoaka ny filoha. “Tsy mitady teny tsara lahatra ary fampanantenana ny vahoaka fa mitady fiainana tsaratsara”, hoy izy.
Mitaky vahaolana ho an’ny taranaka momba ny Jirama ny minisitry ny Angovo, teo aloha, Ramaroson Andry. Tsy tokony vahaolana amin’izao fe-potoam-piasana izao fotsiny ihany izany. Nambarany fa tsy ho avotra ny Jirama raha tsy tanteraka ireo tetikasa goavana toy ny Sahofika sy Volobe. “Afaka 10 taona vao ho vita anefa ireny tetikasa ireny”, hoy izy.
Nahitsy ny depiote Afakandro Christian fa tsy ampy, tsy misy ny fanaraha-mason’ny minisiteran’ny Varotra matoa misy sakafo lany daty miparitaka nefa mbola misy mivarotra ihany. “Ahitana tandrevaky ny minisiteran’ny Fahasalamana matoa sesilany ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ampitomboy ny fitsirihana tampoka amin’ireo toeram-pisakafoana”, hoy izy.

Partager sur: