Vondrona parlemantera Irmar: “Manameloka ireo mitady korontana”

“Manameloka ireo mitady korontana sy fihantsiana ady eo amin’ny samy Malagasy amin’izao fotoana izao”. Io ny fanambaran’ny vondrona perlemantera Irmar eo anivon’ny Antenimierandoholona nentin’ny mpitondra teniny, ny loholon’i Madagasikara, Rakoton­drazafy Lalatiana, teny Anosy, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hamafisin-dry zareo fa tsy miteraka fitoniana sy filaminana eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena ny fanelezana vaovao diso sy ny fivoizana fankahalana amin’ny tambajotran-tserasera ataon’ny mpanohitra sasany. Miantso maha tomponandraikitra an’ireo mpisehatra politika sy ny olom-pirenena rehetra miserasera amin’ny tambajotra mba hitandro hatrany ny soatoavina malagasy sy ny lalàna velona eto amin’ny firenena izy ireo. Ka tsy hanao fandranitana ny vahoaka malagasy na sanatria hampiteraka herisetra na fifandonana hanakorontana ny firenena.
Nasian-dry zareo teny koa ny amin’ny fahatapahan-jiro lava izay mafy dia mafy tato ho ato, ny olan’ny rano izay mampijaly ny vahoaka eny ifotony, ny faharatsian’ny lalam-pirenena lehibe sasany eto Madagasikara. Mampirisika ny fitondram-panjakana ankehitriny izy ireo mba hanao vaindohan-draharaha ny famahana ireo olana ireo. Efa hita ny ezaka lehibe ataon’ny filohan’ny Repoblika, ary ankasitrahan-dry zareo tanteraka ny fepetra nambarany farany teo taman’ny haino aman-jerim-panjakana. Tsapa kosa anefa fa tsy ampy ny fanarahana ataon’ireo tomponandraikitra amin’ny anjara andraikitra tandrify azy ireo. Lasa mampitarazoka ny fanatanterahana ny asa sy ny fiatraikany amin’ny vahoaka izany.

R. Nd.

Partager sur: