Naneho ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny fomba fitafy sy ny maha izy azy isam-paritra ireo mpiasan’ny fitsarana, etsy Anosy ny herinandro teo. Fotoana koa io nanazavana ny fomba fiasan’izy ireo.
Nambaran’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rasololalao Hortense tamin’izany fa tohin’ny hetsika ara-kolontsaina, nataon’izy ireo ny 2 jona lasa teo tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izany. Fanamafisana ny firainsakina anaty fahamisahafa izany na tsy mitovy fihaviana aza ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny fitsarana etsy Anosy, araka ny nambarany. “Tsy mitovy tahaka izany koa ireo rehetra manana raharaha eto amin’ny fitsarana. Mandala ny firaisankina anaty fahasamihafana izahay ao anatin’izany ka mitovy daholo ny fikirakirana ireo raharaham-pitsarana tonga eto ary mamoaka didy amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy izahay”, hoy izy. Anisan’izany ny fitsarana ady heloka sy ny ady madio na koa ny heloka ara-barotra na arakasa. Hanaporofoana ihany koa fa mifototra amin’ny soatoavina iombonana ny asa rehetra atao, araka ny nambarany hatrany.
Fitsarana manompovahoaka
Etsy andaniny, fampahatsiahivana ny lanjan’ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana, iorenan’ny asa sy andraikitry ny fitsarana amin’ny fanompoana vahoaka ny hetsika nataon’izy ireo ary tafiditra amin’ny fiaraha-mientana sady ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena isika izao, araka ny nambarany hatrany. Natao sy novana tsy tahaka ny mahazatra izany hetsika izany ary nampahafantarina ny besinimaro tetsy amin’ny fitsarana, Anosy. Tamim-pitiavana tsy nisy teritery ary niainga tamin’ny finiavan’ny tsirairay ny nanehoana ny fomba fitafy sy nandraisana ireo nanan-draharaha tetsy Anosy tamin’io fotoana io.
Synèse R.




