65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy. Zava-dehibe ny fahalalana ny tantara. Izay no miantoka ny fananana fitiavan-tanindrazana.
“Zava-dehibe eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny fahalalana sy fiorenana amin’ny tantaram-pirenena. Satria izay no miantoka ny ananana fitiavan-tanindrazana latsa-paka lalina ao amin’ny tsirairay”. Io ny lahatenin’ny ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly, tamin’ny fitokanana ny tsangambato faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy. Ny fitiavan-tanindrazana no manetsika hanana fahasarotam-piaro amin’ny tanindrazana. Izay koa no ikatsahana mandrakariva ny hevitra rehetra hanasoavana sy hampandrosoana azy.
Anisan’ny fandaharanasan’ny tanànan’Antananarivo ny fikajiana ny vakoky ny tantara eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Vaindohan-draharaha koa ny fitarihana sy ny fanabeazana ny mponina mba hitandro ireo ivon’ny tantara eto Antananarivo. Antenaina fa ny fiorenan’ny tsangambato dia ho fanoitra hirosoana lalindalina kokoa hatrany amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena amin’izay azon’ ny tsirairay atao. Marika ahazoana mandroso ny lalan-davitra efa nodiavin’ny firenena ny tsangambato. Nanentana ny rehetra amin’ny fitandroana mandrakariva ny fahadiovana sy filaminana izy amin’izao fetim-pirenena izao.
Nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, fa nahavitana ny tsangambato ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo mpiantsehatra misy eto amin’ny firenena. Lohalaharana amin’izany ny Hery fiarovana sy filaminana, izay manaiky ny vahoaka sy natao hiaro ny andrimpanjakana. Lohahevitry ny tsangambato rahateo ny fifanomezan-tanan’ny rehetra no ahazoana mizotra amin’ny fandrosoana.
R. Nd.




