Noentina tany amin’ny mangingina : lehilahy maty norasarasain’ny roa lahy antsy

Novonoina noho ny antony tsy fantatra, notriatriarin’ ny roa lahy antsy ny lehilahy iray tao Mandritsara. No­sam­borin’ny fokonolona tany an-tranony ireo nahavanon-doza. Niaraka hividy zavatra tao amin’ny renivohitry ny kaominina misy azy ireo! Maty novonoina tamin’ny antsy ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Am­pa­ta­kamaroreny, distrikan’i Man­d­ritsara, ny talata 17 janoary teo. Hitan’ny fokonolona niaraka tamin’ny namany roa lahy izy. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ireo sendra azy ireo. Kinanjo, noentin’ireo naman-dratsiny ireo nihazo ny lalana makany amin’ny CEG ity raim-pianakaviana ity. Novonoin’ireo namany ireo izy. Notria­tri­arin’ireto farany antsy ilay lehilahy ka namoy ny ainy. Voasambotry ny fokonolona noho ny fahitan’ny manodidina ireo roa lahy niaraka ta­min’io maty io, tsy vaovao tamin’izy ireo ny nahavanon-doza. Fantatra fa avy ao Mahasora sy Beranemo ireo mpamono olona. Nanao be midina, arak’izany, ny fokonolona ka nisambotra azy roa lahy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo saingy tonga ara-potoana ny tompon’andraikitra. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fandriam-pahalemana ao an-toerana ny ben’ny Tanàna.

Tsiferana R.

Partager sur: