Filoha Rajoelina Andry: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”

“Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana” no lohahevitra fankalazana ny 26 jona. Hafatry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, kosa ny hoe: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”.

“Mila fiaraha-mientana ny fampandrosoana ny firenena. Mitaky fanoloran-tena isan’andro izany, mitaky firaisan-tsaina sy fo. Satria iray tsy mivaky isika miaraka mampandroso an’i Madagasikara.” Io ny ha­fatry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, tamin’ny fifanomezan-toky tamin’ny Fo­loalin­dahy mialoha ny matso le­hibe teny amin’ny kianja Barea, Maha­masina, omaly, ho fankalazana ny faha-65 taonan’ny Fa­haleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Koa nanontaniany ny Foloalindahy ny fahavononana sy ny fahasahiana hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana mi­joro ary hametraka ambony ny tombontsoam-bahoaka. Miantsoroka adidy masina izy ireo: tandroka aron’ny vozona, miaro ny vahoaka sy ny fananany… Mitaky fitiavan-tanindrazana sy fanoloran-tena mihavao isan’andro izany.
“65 taona. Tsy azo lalovam-potsiny, fa mendrika fankalazana ho mariky ny fahamatorana ara-tantara”, hoy izy. Kihon-dalana koa maneho fahavononana hiatrika ny hoavy mamiratra, izay ilofosana ho an’ny Malagasy rehetra. Aoka ny filamatry ny Repobli­kan’i Madagasikara hiredona mafy ao am-ponareo tsirairay avy. Izay no nahatonga ny lohahevitry ny fankalazana ny fetim-pirenena: “Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana”.
Miarahaba ny Malagasy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izy: “Tratran’ny Asara­manitra e! Miredareda ao am-pontsika ny afon’ny fitiavan-tanindrazana amin’izao andro manan-tantara izao.” Tsy azo hadinoina fa ankasitrahana koa ny ezaka nataon’ireo razambentsika nitaky sy nilofo mba hiverenan’izany Fa­ha­­leovantena izany. Izay indrindra no mahasaro-piaro antsika amin’ny tantaram-pirenena amin’ny tantaran’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: