“Ny tiana haseho sy hampitaina: tsy vitan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra irery ny fanadiovana. Tsara miara-mientana isika. Satria tanàna iombonana, soa iombonana”. Io ny nambaran’ny ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny amin’ny fanadiovana faobe ny tanàna taorian’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Manao fanentanana hatrany ny eo anivon’ny kaominina amin’ny fitandroana ny fahadiovana, fa tsy hanary fako eny rehetra eny. “Eto amin’ny Kianja Barea ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ireo tomponandraikitra eo amin’ny boriborintany IV”, hoy izy. Ny delege sy ny mpiara-miasa aminy izany: manao fanadiovana faobe eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Miara-mientana sy manadio miaraka amin’ny mpivarotra eny amin’ny manodidina an’i Mahamasina izy ireo amin’izany. Nitondrana ny hetsika rahateo ny hoe : “Miara-mientana isika ho an’ny tanàna madio”. Miaraka avokoa manao an’izay fanadiovana faobe izay ny fokontany boriborintany IV, ny mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra… Niroso tamin’izay fanadiovana faobe ny tanàna izay àry ny teo anivon’ny kaominina, omaly. Niara-nanadio ny manoloana ny kianja Barea, Mahamasina. Tsy maintsy manana kifafa sy sobika ny mpivarotra tsirairay avy ho fitandroana izay fahadiovana izay eo amin’ny toerana misy azy ireo.
R. Nd.




