Naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’ny Foloalindahy Malagasy ny firenena egyptianina sy indianina. Anisan’ireo firenena manana indostria ary efa mandroso koa amin’ny rafitra fiarovana ireto firenena ireto.
Hanampy ny Foloalindahy Malagasy amin’ny fampitaovana sy hanome traikefa amin’ny fanamboarana sambo i Ejipta. Izay no fantatra tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ireo delegasiona ara-tafika avy any Ejipta, ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny delegasionina notarahiny, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, Ampahibe, omaly. Nitarika azy ireo tamin’izany ny lehiben’ny Etamazaoro mpanampy eo anivon’ny Tafika ejiptiana, ny jeneraly Galal Ali Abd-Elrazek Ali. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy izay fitsidihana izay. Misy fizarana traikefa sy fanomezana fiofanana ny Tafika Malagasy. Mariky ny fahamatorana eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Ejipta sy i Madagasikara ny fihaonana. Miorina amin’ny fifanakalozana maharitra ny fiaraha-miasa ara-tafika misy eo amin’i Madagasikara sy Ejipta.
Taorin’izay, nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ihany koa ny minisitra lefitry ny Fiarovam-pirenen’i Inde, i Sanjay Seth. Voaresaka tamin’izany kosa ny amin’ny fanofanana ho an’ny manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra. Eo koa ny amin’ny fanampiana fitaovana sy ny fifampizarana traikefa. Voatsiahy tamin’izany fa manofana miaramila malagasy isan-taona eo amin’ny sehatra teknika sy fiteny anglisy i Inde.
R. Nd.




