Miandry fanazavana marim-pototra ny rehetra

Lafarinina, menaka, mortadelle, caca pigeon, donuts… Lasa mampatahotra ny olona vokatry ny tsy fahazoana vaovao tena marina sy marim-pototra ary fanazavana mitombina sy maharesy lahatra avy amin’ny tomponandraikitra.

Niainga teto Antananarivo ny fanapoizinana ara-tsakafo, niitatra tany Toamasina sy Mahajanga ary tonga any Ambositra sy An­tsirabe… Tsy hay hoe aiza indray no ahitana tranga vokatr’izany, anio sy amin’ny manaraka.
Tsy vitan’ny tsy fahasalamana mandalo faheno toy ny nandoa sy nivalana… fa tena fahafatesana mihitsy no setrin’ilay fanapoizinana ara-tsakafo. Tsy iray tsy roa no maty sy marary mafy miady amin’ny fahafatesana fa am-polony, efa manodidina ny 30 mahery izany no maty, raha hatambatra ny tranga teto amin’ny firenena.
Ireo nandalo hopitaly sy tobim-pahasalamana ireo voaisa tsotsotra ireo fa ny maty any an-trano vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo tsy voaisa anatin’izany akory.
Poizina! Izay no novoizin’ny fanjaka voalohany. Nisy namosavy ireo maty be dia be. Tena nivarahontsana ny rehetra naheno izany fa hay tena misy mpamosavy mandripak’aina mpianakavy iray trano, mpihavana tsy mifankafoy…
Tampoka teo, nahafaty olona ny mortadelle ka dia mailo sy tsy nisy sahy nividy izany vokatra izany intsony indray ny rehetra. Narefo vetivety ny fandraharahana momba izany.
Nivadika tampoka fa misy koa ny menaka ratsy ka aza mividy izany mihitsy aloha fa tena mitera-doza, mahafaty. Nalana eny an-tsena ny ampahany, fa ny ampahany izany mbola eny an-tsena? Mivadika ny sain’ny Malagasy fa sao hotafavidy an’izany menaka poizina izany ka ho faty eto daholo.
Miely ny tsaho fa misy koa ny lafarinina lany andro mahafaty…ny vokatra vita amin’ny lafarinina anefa no tena fihinan’ny Malagasy…
Tsy misy ny resaka tena matotra mampitony azo antoka avy amin’ny tomponandraikitra. Valina fitiliana mazava tsara sy voaporofo hahafahana misoroka ny loza.

Tatiana A

Partager sur: