Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, no hitarika ny delegasiona malagasy. Amin’ny fanohizana ny fifampidinihana momba ny Nosy malagasy hataon’ny vaomiera iombonana frantsay sy malagasy any Paris, Frantsa, io, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, afakomaly.
Handrafitra ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahatante Tsimanaoraty Paubert; ny loholon’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana; ny masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny fikambanan’ny Firenena mikambana any Genève, ny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva; ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana ny Repoblika, Andriamaholy Dina; ny tale jeneralin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rabemananjara Harifera Elisa; ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikaroahana ara-tsiansa, Ranarijaona Hery Lisy Tiana, ny mpanolotsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny vise amiral, Ranaivoseheno Antoine de Padoue.
Araka ny fanambarana miaraka nataon’ny filoha malagasy Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron tamin’ny fitsidihana ara-panjakana natao teo Madagasikara, ny 23 avrily. Hatao ao Paris, Frantsa, anio, ny fivoriana faharoan’ny vaomiera iombonana frantsay-malagasy momba ny Nosy malagasy manodidina: Nosy Ampela, Nosy Kely, Nosy Sambatra, Nosy Bedimaky. Mampiseho ny fitohizan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, izay mifototra amin’ny fifanajana sy ny fihainoana ary ny fikatsahana vahaolana hiarahan’ny roa tonta mandinika ny fivoriana.
R. Nd.




