Lehilahy iray niditra avy hatrany tao amin’ny Cash point, etsy amin’ny fokontany Morafeno, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, ny talata 24 jona teo.
Raha vao tafiditra ny tenany dia nakatony avy tao anatiny ilay tsena ary nokendainy tao ilay renim-pianakaviana, izay mbola sady mitaiza ny zanany no mitantana an’ io Cash point io. Notereny hamoaka ny vola sy hanome azy ny finday rehetra tao ilay ramatoa. Tsikaritry ny manodidina kanefa izany fikantonan’ny tsena tampoka teo izany. Eo rahateo ny mpivarotra mifanila maheno ny korofondrofoka sy olona mitaraina voakenda ka nanatona. Akory ny hagagana fa mihidy avy ao anatiny ny varavarana. Tsy naharitra ela izany, indro fa nivoaka tampoka avy tao ilay jiolahy ary nitsoaka nandositra hihazo ny lalam-pasika. Vokany, tsy namela an’ity jiolahy ity ny manodidina ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy nahadingana 100 metatra akory ny anao lahy dia efa voasambotry ny fokonolona. Niharan’ny daroka, kapoka isan-karazany ary nisy mihitsy efa nikasa handoro velona an’ity jiolahy ity ny fokonolona. Tetsy akilany kosa, nisy tsara sitrapo niantso polisy ary izay no nahavotra ny ainy, raha efa saika matin’ny vono nataon’ireo olona namono azy.
Sajo




