Raim-pianakaviana 26 taona, natelin’ny ranomasina ny 25 jona teo, tetsy amin’ny ranomasina mifanila amin’ ireo trano heva maro be fivarotana zava-pisotro. Raha ny angom-baovao, noho ny fiaretan-tory fiandrasana ny fetim-pirenena ny 26 jona dia niaraka tamin’ ny vadiny ity tovolahy ity mba hiaraka « hanala azy », araka ny tenin’ny zatovo ankehitriny teny amoron-dranomasina. Nisy namana maro rahateo ihany koa teny an-toerana tamin’io fotoana io. Raha tsorina, nangatsiaka tanteraka ny andro, ny orana manginy fotsiny izay somary arahin-drivotra mandinidinika eny ihany. Na teo aza izany, tamin’ny
9 ora alina nahatsiaro ho nafana ity raim-pianakaviana ity ka nanala ny lamba teny aminy ary nasainy nohazomin’ny vadiny soamatsara fa handro vetivety fotsiny izy hanala hafanana. Vokany, raha vao nitsoraka nilomano tao anaty ranomasina ity farany dia iny fa tsy nipoitra intsony. Niezaka niandriandry ny vadiny fa hoe mahay milomano tsara ilay ramoseny. Nandeha ny minitra sy ora fa tsy nipoitra mihitsy ilay nilomano. Niantso vonjy tamin’ izay rehetra azo nantsoina ilay ramatoa ary anisan’ izany i Lalaina zanadrano sy ny vondron’ny mpamonjy voina, ny andron’ny 26 jona maraina. Saingy, niala maina avokoa izy ireo. « Ao izy fa tsy azo antoka intsony ny hisian’ny ainy, am-pelatanan’ny biby mena maso ary fito ny masony izy, nanota fady io olona io raha ny fahitana ireo biby mihazona azy », hoy i Lalaina, zanadrano.
Sajo




