Raharaha « Iles Eparses » : Nitaky teboka mafonja ireo delegasionina malagasy

Tontosa tao Paris, France, omaly, ny fivoriana faharoan’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy, momba ireo Nosy malagasy. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Barrot Jean Noel, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata.

Araka ny vaovao voaray, omaly, avy any Paris, nitaky teboka mafonja ny delegasiona malagasy, ary tao anatin’ny lalan-tsain’ny fitoniana sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena roa tonta no nanaovana izany. Anisan’ ny notakina tamin’izany ny fampiatoana ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery mahakasika ireo Nosy, mandra-piandry ny hisian’ny va­haolana ifanarahana araka ny fanirian’ireo filoham-pirenena roa tonta. Eo ihany koa ny fa­nohizana ny fifanakalozan-kevitra mba hahatongavana amin’ny vahaolana am-pilaminana, rariny ary maharitra, manaja ny hetahetan’ny va­hoaka malagasy. Ny fametrahana lasitra ankapobeny momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy frantsay, izay tsy manohintohina velively ny foto-kevitra ijoroan’i Madagasikara, dia ny fa­nanany ny fiandrianana amin’ireo Nosy ireo. Ny fametrahana fomba eken’ny roa tonta amin’ny fanaraha-maso sy fifampidinihana, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana ny fikarakarana fivoriana ma­tetika araka ny tetiandro ifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany. Ny famelana malalaka ny Malagasy mpanjono hanarato amin’ny fari-dranomasin’ireo Nosy malagasy ireo, toy ny efa nataon’ireo razambeny tany aloha. Manampy izany ny fanonerana ny fahavoazana sy fahaverezana ara-toekarena nahazo an’i Madagasikara nandritra ny taona maro tsy ni­sitrahany ny fiandrianana amin’ireo Nosy malagasy ireo. Ny fandraisana anjaran’ny Mala­gasy mpikaroka amin’ ny asa fikarohana rehetra atao amin’ireo Nosy ireo. Ary eo koa ny fahafahan’izy ireo hijery ny antontan-kevitra re­hetra ma­hakasika ny fikarohana izay efa vita tany amin’ireo Nosy ireo.

Vonona hatrany

Nanambara ny fahavononany ny delegasiona tsirairay fa hanohy sy hanamafy ny fi­fampidinihana. Hisy ny fametrahana ny fototra amin’ny fifandraisana itovian’ny roa tonta lenta. Mba hanohizana ireo adisisika efa nataon’ny de­legasionina malagasy ireo, nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany fa hotanterahina eto Madagasikara ny andiany fa­hatelo amin’ny fivoriana mom­ba ireo Nosy malagasy ireo, amin’ny fotoana izay mbola ho­­faritana amin’ny ara-pomba diplomatika. Tsy ho ela ny ha­naovana izany.

F.R

Partager sur: